Tvm bananier

Television Malagasy

Fandraisana
Hafatra
Vaovao
Sary
Samihafa

Sary Mihetsika

     Afaka harahinao mivantana tsy ankihato mandritra ny tontolo andro ny fandaharan'ny

Televiziona malagasy ho fanomezana fahafam-po ho anao izay tsy afaka manaraka ny

fandaharana amin'ny alalan'ny vata fahita lavitra noho ny antony maro samihafa, tsindrio

ny sarikely famantarana izany etsy ankavanana, dia mijereva finaritra.

 

NY TANTARAN'NY TVM AN-TSARY

 

      Ny Televiziona malagasy no fahita lavitra tokana nisy voalohany teto Madagasikara, tany am-pihandohana dia mbola sary mainty sy fotsy ny fandaharana, ary tsy misy afa-tsy adiny roa isan'andro no ahafahana manaraka izany.

     Ny 24 desambra 1967 no nanomboka nandefa ny sary voalohany ny Televiziona malagasy, ka ny Filoha Philibert TSIRANANA no nanokatra sy nitokana io andro lehibe eo amin'ny tantaran'ny haino aman-jery teto Madagasikara io, niaraka tamin'ireo andrarezina voalohany nampijoro ny Televiziona malagasy, anisan'izany i Pierre Raynal zay " Chef de station " tamin'izany fotoana izany, i Louis Ménard, Gisèle Rakotoarivony, Lucien Rajaonina, Jackie Andrianarisoa, François Rakotobe, Gaby Rabesahala, Robert Vidue, Jocelyn Rafidinarivo, Gilles Boutiron, Roger Mullet, Paul Randrianarivelo, Pascal Randriambololona, Guy Bernède, Jean-Louis Rafidy, Jeanne Rasoanarimalala, Rasoabakobako, sy ireo sasany izay tsy voatanisa.


 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

            Ny Filoha Philibert TSIRANANA                                                       Ireo Andrarezin'ny Televiziona malagasy                            Ny fandaharana voalohany narahin'ny Mpijery 

                   Mitsidika ny      Televziona malagasy                                                           ao amin'ny "studio de tournage"                                                              ny  Televiziona   malagasy         

 

    Rehefa nandeha nandritra ny adiny roa isan'andro ny Televiziona malagasy, dia ny vaovao sy fandaharana vitsivitsy monja no nalefa tamin'izany, nisongadina tamin'izany ny mpanolotra ny vaovao voaloany teto amin'ny Televiziona malagasy, i Gaby RABESAHALA, izay isan'ny andrarezina nampijoro ny Televiziona malagasy tamin'izany fotoana izany, ary lasa Talen'ny Televiziona malagasy, taona vitsivitsy taty aorina.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

                                                                                                       Gaby RABESAHALA

                                                                                                                                               Mpanolotra vaovao voalohany tao amin'ny TVM

 

Maro ireo tranga lehibe niseho teto Madagasikara izay novohizina sy nampafantarinan'ny Vahoaka malagasy tamin'ny alalan'ny Televiziona malagasy, ka mipetraka ho tantara ho fahalalana sy fanabeazana ho an'ny taranaka fara aman-dimby, anisan'izany ireto sary ireto, izay nalefa teto amin'ny televiziona malagasy.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

                    Ny Jeneraly Gabriel RAMANANTSOA                                                                                               Willy RAZAFINJATOVO   

    Nanao ny fanambarana tao amin'ny TVM,tao aorinan'ny                              Nanolotra fehezam-bonikazo ho an'ny reny iray, izay

          nandraisany ny fahefana feno avy amin'ny                                             namoy ny zanany, nandritra ny raharaha 13 mai 1972 

                         Filoha Philibert TSIRANANA

 

 

         Endrka maro no afantarana ny Televiziona malagasy, amin'ny alalan'ireo mpanolotra vaovao sy fandaharana izay nandalo teto, ka na dia tsy am-perin'asa intsony aza izy ireo dia mijanona ho endriky ny Televiziona malagasy ny tarehin'izy ireo.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

              Simon ANDRIAMIALISON                                        Elisoa RAVELONAHINA                                       Louis Bernard RAKOTOMANGA                              

Tvm online
Tvm lg
Tsiranana visite ok
Pionnier
Public emis 1er
Gaby Rabesahala ok
Olala willy razafinjatovo ok
Gal div gabriel Ramanantsoa ok
Simon andriamialison ok
Lbr1
Elisoa ravelonahina ok

Free service simple and accessible to everyone

Make my blog
Create a website with
SiteW
Website designed with https://www.en.sitew.com/ web designing | How to make a home page